4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nefa ny anay - Aina Cook

Takona indraindray  'lay masoandronay

misy haloka miserana, mitady hibahan-toerana

Malaza hafanana  no zarainy tsinjarainy

Nefa ny anay, ny  hatsiaka  mamirifiry

no toa voatahiry, ampanjakainy



Asa rahoviana, rahoviana no hioty hazavana

Asa rahoviana, rahoviana vao hiova hafanana,

Mba tsy fahoriana, fihafiana no hatobany ao,

Mba tsy ho voarefy, voafefy sy

Fiainam-baovao.





Feno be ny fo, tohina tokoa

mila toa hipoaka sady te-hitraotra ndeha mba ho aiza moa?

Ny saina tsy tony,mamadibadika hatrany,

Nefa ny teo, no eo, tsy misy izany mba hoe fiovany

Tomany ihany



Asa rahoviana,rahoviana no hioty hazavana,

Asa rahoviana, rahoviana vao hiova hafanana,

Mba tsy fahoriana, fihafiana no hatobany ao,

Mba tsy ho vorefy, voafefy sy

Fiainam-baovao




Partager nefa ny anay

Commenter nefa ny anay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Aina Cook