4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kilalao - Ambondrona

Raha reraka iny ianao
Ka raha tsy misy atao
Te hanary dihy
Nde re hilalao
Raha ny kilalao
'Lay fanaontsika
Tsy tsarohanao
'Lay hira sy mozika
Mivazavaza indray e
Toy izay fanao
Fa efa eo ko anie
Ny akama mpilalao, ooo, yeah yeah yeah

Nefa anie tsy izany no fiainana
Manala azy fotsiny izao
Mba tsy hitarainana
Hoe be ireo adidy, fiainana mangidy
Ka hoy aho... nde re hilalao(x4)

Ny fiainana tokoa anie
Tsy vitan'ny adidy
Fa raha ireo no be dia be
Ho tsapanao fa hangidy
Ka mba andramo ihany aloha
Fa tsy ho anenenanao
Ary ataovy amin'ny fo
Zay no kilalao
Ho falifaly foana e
Miramirana ianao
Reo olana maro be
Ho adinonao, ooo, yeah yeah yeah

Nefa anie tsy izany no fiainana
Manala azy fotsiny izao
Mba tsy hitarainana
Hoe be ireo adidy, fiainana mangidy
Ka hoy aho

Nefa anie tsy izany no fiainana
Manala azy fotsiny izao
Mba tsy hitarainana
Hoe be ireo adidy, fiainana mangidy
Ka hoy aho(x3)... nde re hilalao(x4)

Raha reraka iny ianao
Ka raha tsy misy atao
Te hanary dihy
Nde re hilalao

Partager kilalao

Commenter kilalao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite