4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eny sa tsia - AmbondronA

Hey, mba andraso kely ange
Te hilaza aminao aho hoe:
"Maika ve ianao?!"

Hey, vetivety fa tsy ela be
Ts'izany mantsy fa te handre
Lay valiny aho

Namaly ianao hoe (sady toa nihomehy)
"Aza mananihany ianao" (Fa lany fotoana aho)
Ka andraso kely hoy aho,
Fa diso ianao (fa diso ianao)
Ka mba valio aho

Toa nofinofy ihany, ny ahy raha nanontany
Toa noraisinao, ho hanihany!
Nefa tamin'ny fo, sady efa ela moa
Ka ataoko sao, mba ho ekenao koa

Hey, mba niandry ela aho
Niandry ilay valin-teninao
Ka mba lazao

Hey, izaho anie tena tia
Ka tsotra ihany "eny sa tsia"
No andrasako aminao

Namaly ianao hoe (sady toa nihomehy)
"Aza mananihany ianao" (Fa lany fotoana aho)
Ka andraso kely hoy aho,
Fa diso ianao (fa diso ianao)
Ka mba valio aho

Toa nofinofy ihany, ny aina nanontany
Toa noraisinao, ho hanihany!
Nefa tamin'ny fo, sady efa ela moa
Ka ataoko sao, mba ho ekenao koa...

Partager eny sa tsia

Commenter eny sa tsia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AmbondronA

Suite