4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza tsiny - Ambondrona

Ireo fihetsiko inndraindray
Ifonako aminao raha azo atao
Mahery fijery, eny na fiteny
Nanenenako avokoa ireny

Ivelany ihany fotsiny ireny
Tsy avy ao am-po sanatria
Ary averiko ombieny ombieny
Azafady aza tsiny

REF:
Niezaka aho mba ho fantatrao
Oh oh oh
Ka aza tsiny tsy fanahy iniana
Mba tsy ho gaga ianao rehefa any aoriana

Hitanao daholo ny rehetra
Ny hatsarana na ny haratsian-toetra
Satria ianao tiako
Tsy hihatsarako velatsihy
Toa izany aho rehefa tia

Ahitsio aho raha misy tsy mety
Fa mpanota ihany
Tsy hoe tsy mety diso velively
Hoy ihany aho aza tsiny

REF:
Niezaka aho mba ho fantatrao
(Ny amiko rehetra no asehoko anao
Ka aza tsiny tsy fanahiniana
(Mba tsy ho gaga ianao rehefa any aoriana)

Na faly aho, na tezitra
Na malahelo koa
Tsy nataoko ho ahy irery
Hanihany, tomany
Sorisory koa
Manjary hainao avokoa ireny

Ahitsio aho raha misy tsy mety
Mpanota ihany oh oh
Tsy hoe tsy mety diso velively
Hoy ihany aho aza tsiny


Niezaka aho mba ho fantatrao
Oh oh oh
Ka aza tsiny tsy fanahy iniana
Mba tsy ho gaga ianao rehefa any aoriana

Partager aza tsiny

Commenter aza tsiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite