4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza tsiny - AMBONDRONA

Ireo fihetsiko indraindray, ifonako aminao raha azo atao.
Mahery fijery, eny na fiteny; nanenenako avokoa ireny!
Ivelany ihany fotsiny ireny, tsy ao am-po sanatria!
Ary averiko ombieny ombieny: "Azafady, aza tsiny.."
Niezaka aho, mba ho fantatrao, oooooo,
Ka aza tsiny, tsy fanahy iniana.
Mba tsy ho gaga ianao rehefa any aoriana...

Hitanao daholo ny rehetra,
na hatsarana, na ny haratsian-toetra,
satria ianao tiako tsy ihatsaràko velatsihy,
Toy izany aho rehefa tia, yeeh!
Ahitsio aho raha misy tsy mety,
fa mpanota ihany...
Tsy hoe tsy mety diso velively,
Hoy ihany aho: "Aza tsiny!"
Niezaka aho mba ho fantatrao:
ny amiko rehetra no asehoko anao.
Ka aza tsiny, tsy fanahy iniana,
Mba tsy ho gaga ianao rehefa any aoriana...
-------------------------------------------
Na faly aho, na tezitra, na malahelo koa,
Tsy nataoko ho ahy irery!!!
Hanihany? Tomany? Sorisory koa?
Manjary hainao avokoa ireny ka:
" Ahitsio aho raha misy tsy mety, mpanota ihany..."
Oh oh!
Tsy hoe tsy mety diso velively,
Hoy ihany aho: "Aza tsiny!"
Yeeeh!
Niezaka aho mba ho fantatrao,
ny amiko rehetra nasehoko anao.
Ka aza tsiny fa tsy fanahy iniana!
Niezaka aho..
Niezaka aho mba ho fantatrao.
Ka aza tsiny...
Ka aza tsiny fa tsy fanahy iniana;
ooooh!
Mba tsy ho gaga ianao rehefa any aoriana....



Partager aza tsiny

Commenter aza tsiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMBONDRONA

Suite