4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy fetra - Ambondrona

Misy Fetra

Hatramin’izay toa nangina foana aho
Nandefitra, tsy mba namaly anao
Matetika aho no milaza fa tiako ianao
Nefa indraindray toa araraotinao

Ho ahy sy ho anao
No nandeferako hatramin’izao
Fa tsy hoe sanantria tsy sahy aho

Ny eson-teninao ôôôô
Atsaharo amin’izay
Rehefa tsy miteny ve dia ataonao ireny

Efa dify angamba ny fetran’izany
Matoa aho miteny
Tsy zakako ireny

Ho ahy sy ho anao
No handeferako hatramin’izao
Fa tsy hoe sanantria tsy sahy aho

Ny eson-teninao ôôôô
Atsaharo amin’izay
Rehefa tsy miteny ve dia ataonao ireny
Ny menomenonao
Lanjalanjao
Rehefa tsy tia ianao dia avelao aho

Efa dify angamba ny fetran’izany
Matoa aho miteny
Tsy zakako ireny

Ho ahy sy ho anao
No handeferako hatramin’izao
Fa tsy hoe sanantria tsy sahy aho

Ny eson-teninao ôôôô
Atsaharo amin’izay
Rehefa tsy miteny ve dia ataonao ireny
Ny menomenonao
Lanjalanjao
Rehefa tsy tia ianao dia avelao aho


Beranto/Beranto
Ambondrona

Partager misy fetra

Commenter misy fetra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite