4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fito andro - Ambondrona

Nisaiko ireo andro 'zay nandalo
asa ianao koa raha toy izany
fito andro izay alahady androany

alatsinainy ianao niandry ahy mba handalo
tsy tonga aho talata anefa ny andro
alarobia tontolo tezitra angaha ah

Nefa izaho aty malahelo tsy afa-miantso
tsindrian-daona mbola tsy vita foana 'reo kandra miandry
na torimaso aza aho tsy hisy akory
maraina indray vao mba matory

ref:
Tsy niniako, fa te hanao 'zay tiako aho
tsy misy mihitsy na dia fotoana fohy tsy hahitako anao niandrandra aho, tsy tafandry efa fito andro

Alakamisy niezaka niaritra aho
tsy mba nisy zoma mahafinaritra
efa te-hody nony asabotsy
androany anio aok'izay ho avy any aho
hivavaka ary hihaona aminao
fito andro izay alahady androany

Nefa izaho aty malahelo tsy afa-miantso
tsindrian-daona mbola tsy vita foana 'reo kandra miandry
na torimaso aza aho tsy hisy akory
maraina indray vao mba matory

ref:..........

Partager fito andro

Commenter fito andro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite