4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sarobidy - NIRINA SY LIVA

1-Sarobidy loatra ilay fitiavanao , nomenao ahy

Efa manjaka ato amiko ka aza manahy ie,ie

Indro ny foko no efa natokako, ho anao irery ihany

Ho anao r’ilay tiako sy any mamiko eto an-tany



2-Mamiko tokoa raha ny fitiavanao,tena sarobidy

Sambatra ny foko fa nahay nisafidy ie,ie

Mino marina aho,fa ho finaritra raha ny ho avintsika

Satria ilay fitiavantsika hivoitra mibaliaka



Refrain : Tsy ataoko diso anjara ,na koa diso toerana

              Ny fonao efa tia izay azoko honenana

              Hametrahako ny aiko sy ny fanantenako

              Ny fiainako rehetra ,ho zary fahasambarana

              ilay fitia tsy misy fetra



3-Sambatra ny fo ary azo antoka,anilanao ry tiana

Ny androm-pianako rehetra ho feno fifaliana

Tsy ataoko tsinontsinona na ho hamaivaniko

Tsy ambany sanatria,fa mahery lanja ato amiko

izany tena tia



Refrain:  .........



-Tsy atakaloko vola na harena hianao ry ilay tsy foiko

-Sarobidy amiko hianao ry ilay tiako

Partager sarobidy

Commenter sarobidy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NIRINA SY LIVA