4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fikasana - NIRINA SY LIVA

Fantatro tsara ireny fihetsikao ry malala

Nitory fitia tamiko saingy nodiako adala

Nefa ankehitriny ho’aho dia tena tsy haiko intsony

Ny hangina ka tsy hanambara ilay fitiavako anao tsy nitony



Hay ve ianao manam-pitiavana ahy ihany

Taitra sy faly anie ny foko mandre izany

Henika haravona ato anaty tsy hay lazaina

Nisinda toy ny tsy nisy teo ilay sorisory sy adin-tsaina



Manga ny lanitra e fa tsara ny andro androany akia e

Ka namela antsika e hifamboraka ilay fitia

Ry Lala ô miandry isika sisa ilay fotoana paradisa

Ny fontsika tafatambatra e izay vao ho tena sambatra



Toky no omeko anao re rahavako

Fa anao irery manontolo ny fitiavako

Ny fiainako sy ny androko rehetra

Atokako ho anao irery izany, ho anao hatrany tsisy fetra



Mbola tianao ve ny hamerenako eto indray

Ilay fitia nangina tato am-poko hatram’izay

Ny fiainako sy ny androko rehetra

Afoiko anao manontolo e ho anao irery tsisy fetra



Vonona ary isika e na dia hoe izao anio izao

Hiaraka hanorina e ilay fiainam-baovao

Ny antsika FIKASANA iray ny hiara-dia mandrakizay

Ka sanatria dia sanatria fa rehefa tia dia tena tia



Endrey isika taloha raha mba nihaona

Tsy sahy niteny firy fa nifanatsafa foana

Nefa ao am-po te-hitsotra avy hatrany

Ilay fitiavana efa nisy saingy tsy efantsika tamin’izany



Vonona ary isika e na dia hoe izao anio izao

Hiaraka hanorina e ilay fiainam-baovao

Ny antsika FIKASANA iray ny hiara-dia mandrakizay

Ka sanatria dia sanatria fa rehefa tia dia tena tia



Manga ny lanitra e fa tsara ny andro androany akia e

Ka namela antsika e hifamboraka ilay fitia

Ry Lala ô miandry isika sisa ilay fotoana paradisa

Ny fontsika tafatambatra e izay vao ho tena sambatra

Partager fikasana

Commenter fikasana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NIRINA SY LIVA