4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia sahala - NIRINA SY LIVA

Eny ho aho ry aiko

Faly anie ’zany saiko

Fa toa ny faniriako

Eto anilanao re ry tiako



Eny ho aho ry lala

Lazaiko tsy misalasala

Fa tretrika sy sambatra aho

Fa tena mba tojo anao



REF : tiako ianao ka tiako

Ianao no fifaliako

Ianao no nofidiko

Satria ianao no tiako



Ndreto ary isika izao

Efa mahalala

Fa ny ato am-poko sy ao am-ponao

Dia tena fitia sahala

Izaho sy ianao

Samy mahalala

Ka andeha isika manomboka izao

Hiombom-pitia fa sahala



REF

Na mamy na mangidy

isika efa iray safidy

Ka na ho tsara na ho ratsy koa

Dia vonona hifanasoa



Ireo lasa izay nahaory

Tsy ahoantsika akory

Ireo toloko sy tomany

Hisolo hiram-pitia izany



REF


Partager fitia sahala

Commenter fitia sahala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NIRINA SY LIVA