4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy - Jean-Pierre Haga

Misy akoho vavy tsy manatody
Misy gisa tsy mahay mody
Misy misotro tsisy hetaheta
Be rebareba tsy vetaveta.

Misy Belazao tsy be kôsy
Misy bôgôsy tsy be pôsy
Misy mitovy amin’ny rehetra
Misy Karana mandoa hetra

Misy polisy tsy tia rhum
Misy nandra fa tsy paoma
Misy adala tsy miviaka
Misy gazety tsy be fika

Misy mpamily Taxi-Be
Tsy mibahana arabe
Misy vava tsy azo hidiana
Misy mpitsara tsy azo vidiana

Misy tanora tsy tia revy
Misy fonksionera tsy tia grevy
Misy gitara tsy manako
Misy Emmo Nat tsy milako

Misy nahazo izay niriana
Misy rano tsy mikoriana
Misy saina babangoana
Misy mpihira miteniteny foana

Partager misy

Commenter misy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jean-Pierre Haga