4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Safidy ho iray - Lola

Mazana mibaliaka hatrany
Ilay taratry ny endrikao
Toa tsy mba misy aloka na haizina
Fa mamiratra foana izy iny

Ampy ho ahy ny fisianao
Manome aina vaovao ho ahy
Toa feno tsikitsiky ny androm-piainako
Rehefa eo ianao

Tsy ho irery aho rehefa eo ianao
Tsy hijaly aho rehefa anilanao
Na dia hisy aza ireo handrava
Fa vao maika hiseho ny hatsarana
Tsy ho irery aho rehefa eo ianao
Tsy hijaly aho rehefa anilanao
Heriko ianao, andriko ianao
Sitrako ny hisafidy ho iray izaho sy ianao

Ampy ho ahy ny fisianao
Manome aina
Toa feno tsikitsiky ny androm-piainako
Rehefa eo ianao

Partager safidy ho iray

Commenter safidy ho iray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lola

Suite