4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy adala aho - Ambondrona

Sao heverinao ho adala aza aho
Leo miandry anao
Toa tsy hohaiko intsony ny mitana
Ilay fitiavako taloha.
(in-2)

Izany foana ve no hiainako
Rehefa eo ianao ?
Sao kosa ary neninao
Ny nahita ahy ?

Tsia sanatria ny lany manja
Izay niarahana hatrizay
Tofoka loatra aho, leo anao
Ka ny miala sisa no azo atao

Izany foana ve ny hiainako
Rehefa eo ianao ?
Sao kosa ary neninao
Ny nahita ahy ?

Tsy zakanao
Raha miresaka ny ataonao
Ka aleo hijanona eo
F'izay vita aleo hivalona ho tantara
Manavao indray no mety

Izany foana ve ny iainako
Rehefa eo ianao ?
Sao kosa ary neninao
Ny nahita ahy ?

Rehefa eo ianao...

Sao kosa ary neninao ny nahita ahy ?
Sao heverinao ho adala aza aho ?

Partager tsy adala aho

Commenter tsy adala aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite