4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny ao anatiko ao - Ambondrona

Misy teny avy ao am-po
Teny lafatra tokoa
Nefa tsy haiko holazaina
Ka mampiasa saina
             Toa tsy sahiko ny hiteny
             Nefa anio aho dia voatery
             Ny hamboraka izany
             Ho anao irery ihany
    Henoy tsara izao
    Dia ataovy ao an-tsainao
    F'efa ela aho no tia
REF:Ny fitia izay nomeko anao
          Dia hiriko hitoetra rahatrizay
          Ny ao anatiko ao,hinoako fa tsy ho kilalao
          Fa haharitra

Tsy haiko aloha raha tsapanao
Ny aingam-panahy anatiko ao
F'hiezaka aho hitory hatrany
Zany ventsoko izany
         Raiso re raha sitrakao
         F'angamba tsy ho neninao
         Ny hanolotra fitia
         Dia samy hankafy
   Toa misy hazavana
   Miampy hafanana
   Tsapako ao anatiko ao
REF:

Partager ny ao anatiko ao

Commenter ny ao anatiko ao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite