4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fitempon'ny foko - Ambondrona

Irery an-dàlana aho, eny an'arabe Mihevitra sao mba ho hitako eny Lay salovana efa mahazatra ahy Ilay Nofiko ao anatin'ny alina Ilay namany aho, nefa izaho tsy sahy

Ilay endrika efa haiko tsianjery Vitako sary an tsaina, tsy an-kijery Na mitabataba aza ny tontolo Na takona aza aho, tsy ho ahoako akory Fa ny hanitrany ampy ahy hanimbolo

Dia ity fo manontany, injao ny saina hamaly (hoe aleoko miandry hatrany) Tsy maintsy mbola ho fantany eo ihany...

Ho reny manakoako any ny fitempon'ny foko An tsaina fotsiny izy aloha mba ho fihiniko Rehefa eo izy, izaho mody tony, Nefa tsy te hiala eo intsony

Vizana ihany anefa indraindray Ty fo tokana mitempo iray Te-hamoak'izay mba faniriana Ny ho very namana anefa no ahiana Ny ho laviny koa mbola fahoriana

Beranto/Beranto

Partager ny fitempon'ny foko

Commenter ny fitempon'ny foko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite