4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay tanana - Ambondrona

Ilay toerana taloha nahitana ny hatanorana
Fonenana fahiny nandalovan'ny fahazazana
Toeran'ny fahendrena, ilay toeran'ny hadalana
Nahitana ny mangidy sy nahitana ny mamy
Nilalaovana fahiny
Raha mbola tsy nanan-tsiny
Nahalalana ny fitia
Taty aoriana, ary ankehitriny

      Tsy inona ary izany fa ilay tanana
      Atolotray ity vazo ho an'ireo akama
      Sy ho an'ireo izay hiaraka aminay

Totohatra lavabe izay mitondra ny anarany ihany
Misy vavam-biby iray raha midina ambanimbany

   Nilalaovana fahiny
   Raha mbola tsy nanan-tsiny
   Nahalalana ny fitia
Taty aoriana, ary ankehitriny


      Tsy inona ary izany fa ilay tanana
      Atolotray ity vazo ho an'ireo akama
      Sy ho an'ireo izay hiaraka aminay

   Ho anareo mpanotrona, nahandro izahay, nanokona
   Indreto izahay mivondrona hivazo ho an'Ambondrona
   Ilay tanana nahabe,ô,ô,ô

Partager ilay tanana

Commenter ilay tanana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite