4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Taiza - Henri Ratsimbazafy

Taiza taiza indray ianao?

Taiza ny marina lazao

Taiza, taiza lazao

Dia zao ve vao mirava

Dia efa tara lava

Sy mahatata-bava

Ny anao koa efa ho lava!

Aiza vao eny am-baravarana

Zany vao he manarangarana

Tsy reniny tsy zaza

Injao mivazavaza

Ny ankizy mitomany

Rafotsy manontany

Taiza, taiza indray ianao

Taiza ny marina lazao

Taiza, taiza lazao

Taiza?

Fa tany @ ny birao

Taiza?

Voalazako anao

Taiza taiza lazao

Izaho anie maranitra

Adray toa manimanitra

Avia etsy hoe jerena

Toa misy lokomena

Aiza ? efa isan’andro izao

Na mety na tsia ny atao

Tsy ahoana tsy ahoana

Tsy maintsy bedy foana

Tsy misy fiafarany

Tsy maintsy voanontany

Iza iza indray izao

Iza no miaraka aminao

Iza, iza lazao

Iza iza no tianao

Iza Rabodo sa Ravao

Iza iza lazao

Manao izay mahasosotra

Ianao no tena fositra

Vehivavy tsy mihevitra

Manao izay mahatezitra

Izaho dia efa leo

K’andeha ry zareo

Veloma ianareo fa io avelako eo

Partager taiza

Commenter taiza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri Ratsimbazafy

Suite