4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sarotra tiavina - Henri ratsimbazafy

Mba hafahafa ihany
ny eto an-tany,
tsy hita izay atao
mila hankalao.

Nalefanao aho nankaroa,
dia indro aho fa nankatoa
natosikao aho nankaty,
dia lasana aho nandeha fa tia.

'Zay rehetra sitrakao
raha mbola azoko natao
dia nataoko avokoa
nefa ianao tsy afa-po

            Fony aho mbola tia
            ianao eroa manao hoe : tsia
            Nony indray aho tsy niraika
            dia gaga indray ianao ka maika

            Koa dia asakasakao
            'zay sodokam-baovao
            mamy ny atsy fy ny aroa
            kanjo ianao indray no voa


Ref.
Fa sarotra tiavina
hatonina miavona,
tsy hita raha tadiavina
toa aloka ianao.

Fa nony andosirana
manenjika, sahirana,
tsy misy idivirana
toa aloka ianao.

Partager sarotra tiavina

Commenter sarotra tiavina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite