4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Samy mahafinaritra ahy - Henri ratsimbazafy

Samy mahafinaritra ahy
ianareo roalahy
saingy izany tsy azoko tenenina
Samy tsara samy soa
samy tiako avokoa
fa na dia marina aza tokony afenina

Ny lalàn'olombelona
no indreo manelontselona,
ny olona mahazo miteny
kanefa tsy ahoako izy ireny

IANAO.
tsy tapaka miresaka
manao'zay hampifaly ahy

IZY,
dia mipetrapetraka,
bonaika, malemy fanahy,

IANAO
manala sorisory
misangisangy lava izao

IZY
raha misy maha-ory
dia tokiko sy hery vao.

Partager samy mahafinaritra ahy

Commenter samy mahafinaritra ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite