4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vetson'ny kamboty - RABERANTO

Mahatsiaro anao ry dada ô,ireto maminao re

Mifaly mikorana,mitafy ranomaso

Fitiavanao ry neny, tsy misy mahasolo

Masiaka dia masiaka, kanefa be ronono.



fiv :

Dada ô, neny tiako e

Nahoana dia nilaozanao re

Mangina e, mangina ny akany kely

Mandria am-piadanana ianareo.



Mafy anie ka mafy ny nilaozanareo

Laha-janahary izao ka hozakaina ihany

Mipitrapitra irery ireto maminao re

Nofy ihany sisa no hiantana alahelo.




Partager vetson'ny kamboty

Commenter vetson'ny kamboty

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RABERANTO