4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voavela heloka - RABERANTO

Raha tsy mba misy zava -mahavoa
Zay vao mahalala anao ry Tsitoha
Nefa ianao tsy mba manidy fo
Ny fitiavanao dia mamindra fo
O o o dia mamindra fo

Raha ny adalana izay vita tety
Zao sy ianao lay ondry nania
Zao rehetra dia azo atao tokoa
Zao rehetra izao tsy dia mahasoa
O o o tsy dia mahasoa

Efa fantatrao fa ilay namonjy anao
Mbola mifona ho anao hatram'izao (x2)

Efa miomana ve isika izao
Raha tonga ny fandaozana ety
Lalana roa no azo aleha
Paradisa soa sa ny afo be
O o o sa ny afo be

Andeha isika andeha hibebaka
Mba handray ny famelan-keloka
Sambatra izay voavela ny helony
Tsisy fitaka ny fanahiny
O o o ny fanahiny

Efa fantatrao fa ilay namonjy anao
Mbola mifona ho anao hatram'izao (x2)

Partager voavela heloka

Commenter voavela heloka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RABERANTO