4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Teo am-bavahady - RABERANTO

Indray hariva teo amin ny vavahadinay

Izaho sy ny gitara mba nivazo teo

Nisy ankizivavy iray nandalo teo

Variana dia variana nahita ilay vazonay



O o avia kely ange indry

O o hiaraka hipetrapetra e



Izaho anie dia bedin i mamanay

Raha mody hariva any an-tranonay

I papanay sy i mamanay

Efa miandry ahy izao any an-tranonay



O o tsy afaka hipetrapetra aho

O o efa hariva loatra ny andro



E andraso aho raha sitrakao

Hanatitra ny gitara aho dia hanatitra anao



Aza aterina aho fa mbola lavitra ny dia

Ka sao dia tratra hariva aty an-dalana ianao



O o tsy mampanino ahy izany

O o na dia hariva aza ny andro



O o  antero ary ny gitara nao

O o aza ela any ianao



Moa ve akaiky ny tranonareo

Toa vetivety foana dia tonga ianao



Na akaiky na alavitra

Tsyhijanona ela aho fa maika hamonjy anao



O o tsy mahatoky ahy angaha ianao

O o toa hoe aloka  niserana

O o tsy izanymantsy aky

O o mamy ny miara dia

Iza ary izato mba anaranao

Fa mahafinaritra ahy ny mijery anao

Raha ny anarako ny tianao ho fantatra

Jereo ny endriko dia ho fantatrao

Iza kosa no mba anaranao

Fa mahafinaritra ahy izany vazonao

Ny anarako tsy sarotra fantarina

Henoy ny hirako dia ho fantatrao

Misy teny kely tiako ambara aminao

Toa sadaikatra ahony hilaza aminao

Inona no tianao ho lazaina

Tsy mampaninona tsy akory raha misy maha ory

O o hiaraka hihira aminao aho

O o mandrakizy doria

O o hiaraka hihira aminao aho

O o mandrakizay doria

Vonona hiaraka hihira isika roa

Fa na ny mafy na ny mora

Ka na ny mafy na ny mora

Andrasantsika moramora



O o hiaraka hihira aminao aho

O o hiaraka hihira aminao aho

O o hiaraka hihira isika roa

Partager teo am-bavahady

Commenter teo am-bavahady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RABERANTO