4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kamboty - RABERANTO

Ventesinay mora, sy mirindra ny hira

Hanandratanay ireo feo

Feon'ireo zaza kamboty ety

mahita fahoriana sy mijaly



Ny sombinainareo lasa labaonina

any amin'ireo havana, mpanam-bola

Raha mbola velona teo ianareo,

nahazo tambitamby  mamy izahay.



Ry ray aman-dreninay, 'zay efa vovoka

Tsy maheno intsony ny antsoantsonay

Tsy maheno intsony ny fitarainanay.



Zanaky ny maty tsy misy hasina intsony

Miaraka matory ny akoho an-dakozia

Ny lamba rakofany rotika ry rovitra

Miondankondana tanana



Nahoana re ry tany 'reo tsy manantsiny

novesaranao enta-tsy zaka?

Efa voaozona ve sa kapoka,

sa ny olona no be setra?



Ry ray aman-dreninay, 'zay efa vovoka

Tsy maheno intsony ny antsoantsonay

Tsy maheno intsony ny fitarainanay

Tsy mahita intsony ny fijalianay.

Partager kamboty

Commenter kamboty

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RABERANTO