4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rabekijana - Charles Kely

RABEKIJANA



Oay ity Rabekijana

Tsy mba mahay lalàna

Zary mihanahana

Mbola an’ivon’ny hatanorana

Mahery ka tomady

Vonona mba hitady ê !

Lavitra fanjakana

Sandry no mba fiasana

Niasa tany, mamokatra mikarama

Mamelo-tena, mizaka fanambakana

Irery Rabekijana ô !



Kanjo tonga ny ahiahy

Saina  lasa tsy nahy

Nanao fampitaha

Raha banjinina ny ho avy

Moa ve hahavelom-bady            

’lay sakaizan’angady ê !

Hihenony sihosiho

Fa any Antananarivo, maro ny vola

Mitobaka toa tsy ho lany ê !

Fiainana mamirapiratra

Be ny tontolo

Veloma ry ambany volo ô !



Dia mba nangoron’entana

Ho entina miakatra mikarama

Nanagom-batsy dia roso Rabekijana

Tsy zakany intsony ny hiandry ny fandrosoana

Hanantona ambanivolo

Ny fiainany toa hikoro



Tonga, tonga Rabekijana

Tonga teto an-tanàna

Hitady karama

Ny azy mantsy ny vatana

Dia tomady

Asa tsy misy fady

Na anao batilazy ê !

Tsara fanetri-tena ô !

Tsy mba taitran’ny rendrarendra

Nambabo ny fon’ny zanak’i Trema

Dia nalainy fanahy isan’andro ’lay tovolahy

Vahotra fa tsy sahy

Fa kanto sy meva ’lay retsy ’lay joba kely

Malefa-pijery, misarin’anjely

Fa ny azy indray tsy mba vola no maha-ory

Fa ny antsaram-panahy

Ka revo ra-Natacha

  



Tolorany tsikitsiky eo

Sy resaka feno angola

Mahery vaika tokoa ilay fankam-panahy

Tsy mba laitra resena

Ka babo ny anao lahy ê !

Resin- dRanatacha



Dia manjary nivoaka maraina sy hariva izy roa kely

’Reo asa niaraha-nanao fa tsy niady irery

Feno hasambarana tsy roa aman-tany

Ny fiainan’i Rabekijana

Toa nofiny mantsy izany



Fa tezitra mafy ary koa nisafoaka

Ary ilay patrao raha nandre ny vaovao

Tsy mba nety nanaiky ny tantaran-janany ê !

Entitra ny fanampahany, tsy niandry ela

Ary tsisy alaharo

Fa niara-voaroaka tsy nisy tavela

Ireo mpifankatia

Dia nangoron’entana

Ho entina midina any an-tanàna

I Natacha miaraka amin’i Rabekijana

Fa  lalim-paka ao am-po ny azy ny fitia

Ka naleony niara-dia

Mba  hiara-miriaria





CHARLES KELY

Partager rabekijana

Commenter rabekijana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Charles Kely