4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fety - Charles Kely

FETY





Tonga indray ity fety

Indreny tanora lahy sy vavy

Samy manao metimety

Falifaly samy ravoravo

Mifampitantana mandeha tsiroaroa

Mifankatia ka tena sambatra tokoa



Fa tonga indray ity ny fety

Indreny ireo mpifankatia

Mifampitantana finaritra ery

Izaho irery toa mandinindinika an’izany eo

Toa lasa vinany eo

Manembonenmbona anoa

Malalako malalako aiza ianao



Toa tsy mba henonao angamba ilay antsoko

Efa mitalaho, faingana ianao

Fa aza variana milalao

Ny foko anie ka sasa-miandry hatramin’izao



Raha tsy tonga ianao

Dia hangina irery aho

Rehefa tonga ianao

Ho velom-bolo indray ’lay foko

Saika nitanondrika tamin’ity andro fety

Raha vao tonga ialahy

Hiara-hifaly sy handihy isika roa

Tra la la



Tonga indray ity ny fety

Jereo fa kilonga maro be

Hirahira sy korana

Manerana ny arabe

Isika sy malala

Toa variana mifampitady

Raha tsy mifankahita

Tsy tonga lafatra



CHARLES KELY

Partager fety

Commenter fety

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Charles Kely