4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola ho ela - Charles Kely

MBOLA HO ELA



Mbola ho ela zareo vao ho lany

Ny ora hiainana koa dia ho lava

Tsy mitsaok’ady fa miatrika adidy

Mitondra mangidy nefa tsy kivy



Mbola ho ela zareo vao hisava

Ny adim-pahantrana tsy vita kabary

Ny mivari-lavo tsy mahavaha olana

Fa ny mpivady no aoka hifanohana



Fa ny masoandro mena efa midina ambany

Misitrika ambadik’ilay tendrombohitra

Fa lasa ny alina

Mbola misolo mazava indray

Mitondra herin-tsaina vaovao

Ho an’izay mahatohitra

Fa mafy ady ê

Nefa tsy maintsy miady



Mbola ho ela zareo vao hiarina

Lela mizana mitanilanila

Fiainana an-tany natao zara vilana

Ireo mpitondra manao be fandroaka

Dia mba nisy nilaza hanao ampamoaka

Fa saingy tsy sahy f’izy indray no nanoatra

Ianao aza kivy ny manao ny marina izany

Fa misy mitazana antsika any ambony any

Izy ihany no hitsara



Avia moa sakaiza hitsoka farara

Tendreo ny valiha sy gitara

Raha hira sy vazo no hotantaraina

Isika tsy lany lazaina

Hadinoy aloha izay rehetra tsy nety

Fa andao isika hiatrika fety



Miara-milanja sy miara-mamindra

Izay no mba mamiko indrindra

Dia ny mahita ireo namako miara-mivazo

Miara-mampiakatra feo

Hanadino ny tazo

Dobodoboy ny ampoka

Aza misalasala

Mihetsika koa ny mpandihy

Aiza ianao ry malala !



CHARLES KELY

Partager mbola ho ela

Commenter mbola ho ela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Charles Kely