4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira O maria - Anitra Sarobidy

Zazavavy tsotra sy madio fo

Virjiny mahay mankato

Nanetry tena, feno hasoavana

Nofidian’ny Tompo ho reniny

                         Galilea tany nihaviany

                         Tranon’omby niterahany ny Mpamonjy

                         Manankarena herim-po raha izy

                         Nitraka hatrany, tsy mba mba nilonjy



O Maria, O  Maria, tsara loatra ny toetranao

Mendrik’ho deraina ‘lay herim-po nananao

O  Maria, O  Maria, iriako ho toa anao

Ny tovovavy rehetra O  Maria



Reny tsy  mba namela ho very

Menaky ny aina nandeha irery

Ranomaso  nalatsakao teo Kalvery

Niaretana avokoa ‘reo ferin-janakao

                            Manantena aho fa satro-boninahitra

                            No isaloranao, any an-danitra

                            Ampianaro aho ho toa anao

                            Hahay hanao hoe : « Inty aho Tompo ankizivavinao »




Partager o maria

Commenter o maria

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Anitra Sarobidy