4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izay afafinao - Ny Feo 'Ray

Toa mamitaka, mahasodoka raha ny fiainana
Fa malalaka, migodana izany làlana
Na ny lohasaha toa mangina raha tazanina
Fa ny ratsy hatrany no indro izao manarona ny tany

Eny ekena fa tsisy hanao tsinontsinona
Fa tanora ianao afaka manao izay tiana hatao
Aoka ho fantatrao mbola ho entina ho tsaraina
Amizay hatao tsy afa-miala raha izaho sy ianao

Izay afafinao, izany hatrany no jinjaina
Raha mamafy tsara dia handova fahatsarana
Saintsaino anie fa ny nenina tsy alohanao
Ka hananatra f'ao aoriana ao handatsa anao

Mba heveronao fa mandalo raha ny eto an-tany
Izay rehetra atao dia tsy maintsy misy fihafarany
Lanjalanjao ihany, fakafakao re rahavako e
Fa ny ratsy atao loza miantona ho ahy sy ianao

Ho anao koa, zoky, zandry, nareo havana
Mbola mila anao izao tontolo iainantsika izao
Mba meteza re ho fanasina, fahazavana
Mba hamelon'aina, hampahery ireo izay mitaraina

Izay afafinao, izany hatrany no jinjaina
Raha mamafy tsara dia handova fahatsarana
Saintsaino anie fa ny nenina tsy alohanao
Ka hananatra f'ao aoriana ao handatsa anao

Izay afafinao, izany hatrany no jinjaina
Raha mamafy tsara dia handova fahatsarana
Saintsaino anie fa ny nenina tsy alohanao
Ka hananatra f'ao aoriana ao handatsa anao

Partager izay afafinao

Commenter izay afafinao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Feo 'Ray