4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Feo iray - Ny Feo 'Ray

(2fois)
Fa feo iray Jeso no hiderana Anao
Fa feo iray Jeso no asandratray ho Anao
Fa feo iray Jeso no ankalazanay Anao
Fa feo iray Jeso no isaoranay Anao

Na samihafa izahay
Natambatrao ho tena iray
Ka na ny herinay dia navondronao ho iray
Ka hiara-hitempo ny fonay
Fanahy sy saina mahay miray
Haneho fa mendrika ny omem-boninahitra

Na samihafa ny endrikay
Toy izany koa ny fahaizanay
Tsy nataonay ho sakana tsy hanompoana anao ô ô ô
Fa tena iray no tanjona
Dia ny handova lanitra
Fiainan-tsambatra ho an'ireo izay maharitra

(3fois)
Fa feo iray Jeso no hiderana Anao
Fa feo iray Jeso no asandratray ho Anao
Fa feo iray Jeso no ankalazanay Anao
Fa feo iray Jeso no isaoranay Anao




Partager feo iray

Commenter feo iray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Feo 'Ray