4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ndao ary - Ny Feo Iray

Andeha isika hiaraka hihoby an’Ilay Mahery

aza misy misaraka aza misy mandeha irery

fety ny andro anio hiderana Ilay Tsitoha

ndao isika andeha hifaly sy hiravoravo koa



Jeso no derao (HALELOIA)

hobio sy ankalazao (HALELOIA)

fety ny andro anio (HALELOIA)

ho anao ka ifalio (HALELOIA)



Andeha hiara-mivavaka hidera Ilay Tsitoha

Ts’isy ankanavakavaka fa tena iray tokoa

aoka ny fiderana no hanako hatrany hatrany

soloy tsiky sy korana ireo sento sy tomany



Jeso no derao (HALELOIA)

hobio sy ankalazao (HALELOIA)

fety ny andro anio (HALELOIA)

ho anao ka ifalio (HALELOIA)

Partager ndao ary

Commenter ndao ary

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Feo Iray