4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Didy vaovao - Ny Feo 'Ray

Raha misy sahy milaza fa tena tia ny Ray
Kanefa mankahala ny namany ankiray
Dia toa mamita-tena, mamitaka ny hafa
F'izay lazainy aza dia lainga tsara laza

Na miendrika anjely fihetsika, fiteny
Famindra sy fijery tsy ambany velively
Kanefa tsy miseho, tsy hita ilay fitia
Varahina maneno, tsy misy mpankafy

Fa didy vaovao no omena antsika izao
Andeha re hiara-dia, handeha re hifankatia
Fa izy dia niteny fa aoka ho modely
Hanahaka azy Tompo, meteza hifanompo

Tsy misy lehibe mihoatra noho izao
Dia ny manome ny ainy ho anao
F'ireo malaina aza ambara ho fahavalo
De tsy very anjara f'omeny masoandro

Fa sarotra ho ahy, sarotra ho anao
Ny hamaly tsara ireo izay mankahala
Kanefa hoy ny Tompo, mivavaha indray
F'izay no maha-mpanompo sy zanaky ny Ray

Fa didy vaovao no omena antsika izao
Andeha re hiara-dia, handeha re hifankatia
Fa izy dia niteny fa aoka ho modely
Hanahaka azy Tompo, meteza hifanompo

Fa didy vaovao no omena antsika izao
Andeha re hiara-dia, handeha re hifankatia
Fa izy dia niteny fa aoka ho modely
Hanahaka azy Tompo, meteza hifanompo



Partager didy vaovao

Commenter didy vaovao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Feo 'Ray