4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tia - Ny Feo'Ray

Rehefa injay fa be ireo olanao
Mampiady saina sady mampitalaho
Ka mila handreraka ny fo
Mampitaraina mafy tokoa

Tsarovy fa dia ao ilay Ray Tsitoha
Izay mitsinjo sy mijery ihany koa
Mahita ireo izay olanao
Mitady ny hampitony anao

Izy dia miantso miandry anao
Mba hiverina aminy izao ianao
Izy manatsotra ny tanany izao
Ka atolory izao ny fonao

Fa fitiavana mandrakizay no efa natolony izao
Ka na dia be aza ireo tolokonao
N'aiza toerana alehanao
Tsarovy f'izy tena tia anao
F'izany no haharetan'ny famindrampony aminao

Izy dia miantso miandry anao
Mba hiverina aminy izao ianao
Izy manatsotra ny tanany izao
Ka atolory izao ny fonao

Fa fitiavana mandrakizay no efa natolony izao
Ka na dia be aza ireo tolokonao
N'aiza toerana alehanao
Tsarovy f'izy tena tia anao
F'izany no haharetan'ny famindrampony aminao

Izy tia dia tia
Izy tia anao

Partager tia

Commenter tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Feo'Ray