4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tena namana - Nantenaina

TENA NAMANA

Niara nihinana ny manta,nifampizarazara masaka,
nivoadivoady sy nifanta fa tsy hifanary tsy hisaraka
Raha sendra vato lavadavaka ka misy namana solafaka
isika rehetra nifanaraka fa :hisinton'azy mba hiakatra.

Nifanarahana tety ny hoe hiara dia,izay kely ampelan -tanana
tsinjaraina hifana-pahana.
Nifanekena ihany koa ny hifampihankin-doha
ka izay tafita aloha dia mba MIZARA TOMBO-TSOA

Zovy moa no sahy hiteny fa mahavita tena samy irery
mahatokan dalana irery satria manam bola mana kery
Fa ny Ntaolo nanambara fa ny Fitambarana no tsara
ka raha sendra andro iray sarotra dia ny namana no hanavotra

Ndao hatambatra ny hery fa hamakivaky lalan-tery
dezaka sy saro-tsarotra satria feno fitaka sy fandrika
velom-bolo ny tanàna fa nahita zanaka nihantana
nampihena fahakiviana ny hoe manan-joky hiangotiana.

NANTENAINA

Partager tena namana

Commenter tena namana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nantenaina

Suite