4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpirenireny - Nantenaina

Hono hoy aho Rambatomana ,azonao atao va re?
ny mitsinjo ireo tsy manana sy ireo Mpatory an-dalam-be.
Tsy resa-bola sanatria fa Finiavana Fitia
ka ireo zavatra tsy ilainareo ireny anie no ho zaraina ho azy ireo

Mitsindroka mitsimpona ,mifandrombaka sao tara
Mandroaka manangona fa ny Fako misy tsara.

Mitombo isa tato ho ato ireo olona Mitsimpom-pako
feno azy ny arabe sy ireo tsena marobe
Ny onjam-piainana tsy miala ka maro ireo lasa adala,
izay kelikely mokon-doha dia mipatitaka tokoa

Ao ireo fako tsy manjary ,poizina mankarary
misy Akora Simika ataovy anaty na sobika
Asio soratra mazava,MAMONO TSY FATAO AM-BAVA
haleveno izy ireny sao hamono ireo MPIRENIRENY.

Ireo potipotipoti-kanina sisasisa nefa azo ho hanina
aza andrasana ho lo sao hankarary am-bava fo
Ataovy etsy am-bavahady ho alain ireo mafy ady
tsy an-tery sanatria fa mba FIANGAVIANA IHANY ITY.

Tsy misy afaka mifidy izay vintana sy anjara,
raha izy no nifidy dia nifidy tsaratsara.
Nefa mbola manantena ilay ANJARA VAOVAO
Ka hoy aho am-panetren- tena HAROTSAY NY ANJARANAO.
Nefa mbola manantena ilay ANJARA VAOVAO
hiarin-doha ny FIRENENA HAMIRAPIRATRA NY HO AVINAO

Hono hoy aho Rambatomanana ,azonao atao va re?
Ny mitsinjo ireo tsy manana sy ireo Mpatory an dalam-be......

NANTENAINA

Partager mpirenireny

Commenter mpirenireny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nantenaina

Suite