4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Niova ianao - Nanie

Niova, niova...



Ela niaretana hatrizay aho

Leo ny fijaliana mankalao

Ny fiarahantsika hatramin’izay

Toa tangena mafaitra, mahamay

Ilay fitiavanao mba nandrandraiko

Ianao ihany no mba nantenaiko

Nampitondra fahoriana maro

Vono sy adin-tsaina mifangaro



Fiverenana (in-2) :

  Ankehitriny anefa

  Niova ianao (in-5)

  Tsy toy ny taloha

  Niova ianao(in-2)



Ireo latsa sy ompa fanaonao ahy

Lasa teny mamy sy fitia

Ireo vono sy hitsakitsaka

Zary safosafo sy oroka.

Asa, angamba tonga ilay fotoana

Nanenenanao izay vitanao ?

Na ny vavaka sy ny taraina

Izay avy amiko no efa nivaly ?



Fiverenana



Lasa tsara fanahy

Sady toa nihatia ahy

Tsy mila ady intsony

No tena manaja

Sambatra sy faly aho

(niova ihany ianao)

Niova ihany ianao

(niova ihany ianao)

...



Fiverenana



(Ela ny ela niova ihany ianao ô!...)



Lasa tsara fanahy

Sady toa nihatia ahy

Tsy mila ady intsony

No tena manaja

Sambatra sy faly aho

Niova ihany ianao

Niova ianao

Lasa tsara fanahy

...

Partager niova ianao

Commenter niova ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nanie