4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Feo roa ... - Nanie & Lalie

Ho inontsika moa ny andro izay mandalo
Raha ny rivotra mifafy no tsy hitondra kalo
Hanambatra ny nofy ho tonga hasambarana
HO ankafizin-tsika ka tsy hisy fitsaharana

Ho inontsika moa ny ampitso raha mivazo
Raha ho maina dieny izao ireto voninkazo
Izay notiavintsika ka lasa namololona
Tsara kolokolo ka tsiriritin'ny olona

Fa ianao no amiko, izaho no aminao
Isika no miaraka, mozika tsotr'izao
Fa tonony sy feo tsy mahay misaraka
Na tsiky na tomany no miraraka ...

Ho inontsika moa ny andon'ny maraina
Raha mitampify hatrany ny kalo izay hiraina
Fa ianao no amiko, izaho no aminao
Isika no miaraka mozika tsotr'izao ...

Partager feo roa ...

Commenter feo roa ...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nanie & Lalie