4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hira tsy lo - Nanie

ny fiainana mandalo

manaingam-pahavalo ho anao

tsy zava-baovao

miady ankisesy

mikendry ny andresy izao

tsy avela ankalao

tsy avela avo hoy aho

sanatria hiavona

satria fanafodiny dia fitia



be ny maha ory

izay manorisory ny loha

tsy laitra tsy toa

fa tsy maha-lany ny hirahira mamin’ny fo

mba marina tokoa

tena lafatra

mampitsiky ny fanahy

manamaivana ny ahiahy



ref: mbola hirainay

     hira tsy lo

     hitambarana foana

     ampiray ka mampihaona indray ny fo

     hira tsy mba fohy(2x)



be ny maha hory

izay manorisory ny loha

tsy laitra tsy toa

fa tsy maha-lany ny hirahira mamin’ny fo

mba marina tokoa

tena lafatra

mampitsiky ny fanahy

manamaivana ny ahiahy

Partager hira tsy lo

Commenter hira tsy lo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nanie