4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hatrizay - Nanie



Zary nofiko

Ny fahitako anao indray anilako

Toa hoe tsy mampino

Manontany tena aho indraindray ianao ve io?



    Hatrizay (2) izaho foana no naniry ho anao

    Nikaroka nitady hevitra

    Ny ho tianao (2) no masaka an-doha



Fahagagana ho ahy

Hoe ianao indray no mitady hotiaviko

Tsy toy ny taloha

Mbola iangaviana aza moa tadididko



    Hatrizay...



Izaho tsy handatsa anao intsony

Izay lasa taloha foanako

Fitia vaovao ho ahy sy ho anao

Zay no tanjoko

  ô ô



Ny safidiko

Dia ny hitia anao indray toy ny taloha

Azoko antoka

Fa tapitra teo ilay ianao ho nilalao



    Hatrizay...

Partager hatrizay

Commenter hatrizay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nanie