4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny lehilahy - Henri ratsimbazafy

Matanjaka, mahery,
mafy, mahari-pery,
miharitra ny mafy
fa zatra ny miafy
NY LEHILAHY.

Raha sendra ka mba voadona any ho any
dia sanatria anay izay hitomanimany
na hikolay ka hiolomay.

Raha misy manahirana
tsy maintsy miramirana,
tsy mba malemy saina
ary tsy mitaraina
NY LEHILAHY.

Mba nana'hoana loatra re itony tany itony
raha tsy teo ny lehitahy ?
angamba nikorontana nanao ambany ambony
raha tsy teo ny lehfiahy !!

Ny lahy sy ny vavy
dia samy manana avy
izay fahatsaràny
kanefa hafa ihany
izany atao hoe lehilahy

Tsy mila fangorahana,
tsy laitran'arerahana,
tsy, mba mandositr'ady,
ny lohan'ny mpivady
NY LEHILAHY

Isaoranay anefa Andriamanitra
nanome anay andriambavilanitra
ho namanay
sy tapakay

Fa raha toa ka irery
angamba dia ho very
NY LEHILAHY
Iza no hikarakara
hikojakoja tsara
NY LEHILAHY?


Fa na mahery aza,
malemy toy ny zaza
NY LEHILAHY
Raha vao jerenareo
mila tsy ahaloa-peo NY LEHILAHY.

Partager ny lehilahy

Commenter ny lehilahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite