4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny lambanao mikopakopaka - Henri ratsimbazafy

Fa tsara sy mahate-ho tia

NY LAMBANAO MIKOPAKOPAKA

toa miantso manao hoe avia
NY LAMBANAO MIKOPAKOPAKA
ny fihetsika malemy paika,
            tsy miraika
            toa tsy maika,
            ny fitafy tsy misi haitraitra,
            tena raitra
            ka manaitra.

Tena kanto eny kanto aoka izany
NY'LAMBANAO MIKOPAKOPAKA
ka nambabo ny foko avy hatrany
NY LAMBANAO MIKOPAKOPAKA

Ny akanjonao tsara didy,
tarafin'ny elonao mena,
mihatsara sy mitombo vidy
ravahan'ireo volamena
manendrika anao avokoa,
nefa asa ho'aho Ramatoa

Dia tonga ny lamaody vao
nanampy ny nentim-bahiny
nanaraka izany ianao
ka hita fa tsy nisy tsiny,
kanefa ho famenon'izany,
ny lambanao teo ihany.

Partager ny lambanao mikopakopaka

Commenter ny lambanao mikopakopaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite