4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny itiavako anao re ry mama - Henri ratsimbazafy

Ny volonao fotsy mangatsohatso
NO ITIAVAKO ANAO RE RY MAMA,
Ny feonao malefaka raha miantso,
NO   ITIAVAKO ANAO RE RY MAMA,
Ny bikanao folaky ny andro lasa
NO ITIAVAKO ANAO RE RY MAMA,
Ny tanana mafy noho ny asa
NO ITIAVAKO ANAO RE RY MAMA.

    Toa hitako ianao fony tanora
         tamin'izao taonako izao,
    namindra milako tsimoramora
         nanaitra an'i Papa ianao;
    nilefa nandao tsy nety tana,
         tsy hita intsony izao
    ny taratra'irony hatanorana.
         teny amin'ny endrikao.
    Kanefa amin'izao toetranao izao
    no vao mainka tiako dia tiako ianao

Isaorako indrindra Andriamanitra
Nanome ahy anao
Ary hivavahako mba haharitra
Hiaina eto an-tany ianao.
Na tsara na ratsy izahay zanaka
dia samy tianao avokoa
ka dia tsy navelanao mba hihahaka
raha tsy nahazo ny soa.
Iriko indray re ny hanavao,
hilaza fa tiako dia tiako ianao.

Partager ny itiavako anao re ry mama

Commenter ny itiavako anao re ry mama

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite