4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira M'sie rakoto frah - Feo Gasy

O Rakoto ! O Rakoto

Tsofy ny sodina hiara-mifaly

Fa samy tary

Aingam-panahy avy any an-tsaha

Ny ao anatinao no natobakao

Ka tena favy

O Rakoto ! O Rakoto !

Voarotsinao tami-sodinao

Izao tontolo izao

Tao ireo nitsanga-bolo

Nisy nitomany

Tsy nahafoy anao, tsy namela anao

Ny handao lapihazo

O Rakoto ! O Rakoto

Sitraka sy telina, tsy hay nafenina

No nataoko vazo

Fa mamy toa fary, madio toa fotsim-bary

Ny fahatsoranao, ny fahaizanao

Maharavoravo.

Partager m'sie rakoto frah

Commenter m'sie rakoto frah

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite