4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fa tsarotsaroako - Feo Gasy

Fa tsarotsaroako

Irony andro taloha

Fony zaza sy bodo

Tsy mba nivaky loha

Fa na ratsy na tsara

Dia niaraha-nizara

Tsy mba misy ny avo sy iva

Ny ankizy mpinamana



Endrey ny haravoana ianareo manoloana

Taona maro tsy nihaonana izay

Ka tsy maintsy tondrahana

Ka raiso ny vera, ahidino ny petsa

Fa iray toa zato ny andro anio

Ka ifalifalio



Ny hamaman’ny lasa

Tsy mba haiko adinoina

Toy ny sary voasasa

Irony nofy tanora

Haitraitra sy ditra

No tovozin-tsy ritra

Tsy asiako nenina letsy izy ireny

Na dia indray mipika



Endrey ny haravoana ianareo manoloana

Taona maro tsy nihaonana izay

Ka tsy maintsy tondrahana

Ka raiso ny vera, ahidino ny betsa

Fa iray toa zato ny andro anio

Ka ifalifalio




Partager fa tsarotsaroako

Commenter fa tsarotsaroako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite