4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsofy rano - Feo Gasy

Mba tsofy rano izahay Zanahary mba ho tafarina

Fa tafahitsoka anaty aizina lalina

Tsy mahita andro miratra ô !

Mangeja mafy re ny fahantrana, be ny hetraketraka

Miharatsy ny saina, ny tena voasarika hangalatra

Tsy mahita hanin-kohanina ô !



Lahy tokana ny aina ry zareo

Ka tsy maintsy tsinjovi-matetika

Miandry ny ankizy any an-trano

Tsy maintsy mihinana

Herinandro tsy mivalana ô !



O Gasikarako ô !

Fa loza inona ity  nahazo ô !

Malazo tsy hihinana ravinkazo,

Tsy voavidy vola ny mangahazo

Ny takalo-patsa efa lany vazo !

Partager tsofy rano

Commenter tsofy rano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feo Gasy

Suite