4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Volana - Lalatiana

O ry vorona ô

E ry vorona iry ee

O ry vorona ô

E ry vorona riy e

Inay any aho mba toa anao

Kopak’elatra ihany dia ampy

Hiaingako hody any androany

Any alavitra any

Any amin’ny misy azy

Sarotra mantsy ny lalan-kombana

Fa hihoatra irony havoana

Toa lalina koa ny rano

Tsy araky ny aiko izany

Sao dia tratran’ny orana ô

O ry vorona ô

E ry vorona iry e



O ry volana ô

E ry vola iry ee

O ry volana ô

E ry volana iry e

Mba raiso ho eny aminao

Eny mantsy toa manintona ihany

Fantatro izy fa mijery anao

Sao dia mba tafahaona eny

Ny masonay samy miandry

Vetivety ihany any aho fa tsy ho ela

Raha tsy mety moa ataoko ahoana

Ny tenako anie na mbola aty

Ny foko dia efa any

Tsy adala fa tena tia

O ry volana o

E ry volana iry e




Partager volana

Commenter volana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalatiana

Suite