4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsara iafarana - Lalatiana



Miriorio foana ny angidina

Tsy mahagaga tsy akory f’izay no fombany

Misavoamboana dia midina

Ka mianjera any an-kady rehetra any



Vola no maha-be rehareha

Ka mazàna jamba ny maso voatakony

Nefa ny mibirioka fandeha

Zohin-tsiny lava ka tsy mba madio



Kendreo izay ataonao

Saino lanjalanjao

Mandalo ihany izao rehetra izao

Fidio ny mba ho soa

Nefa tandremo koa

Sao diso aoriana ka voa



Harena sy voninahitra

Rendrarendra tsy hita ifandafarana

Fa mbola hafa maharitra

Ny fitiavana tsara hiafarana



[Duo-Rija RAMANANTOANINA]

Partager tsara iafarana

Commenter tsara iafarana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalatiana

Suite