4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy antony - Lalatiana

Tsy niverina izy

Angamba efa tofoka

Na hafatra aza tsy napetrany

Ny hanoratra manorisory

Tsy niantso izy

Angamba efa vizana

Ny ditra koa tao lalaon’ankizy

Mamoy ny fo mahatorovana



Matoa tsy mitady ahy intsony izy

Angamba efa fantany

Fa na ny toerana hahitany ahy aza tsy ho tiany

Matoa tsy mitady ahy intsony izy

Angamba efa fantany

Tsy hotiany tsy ho tantiny



Lalao iray izay tiako indrindra

Lalao tsy mampody ahy an-trano

Izy moa tsy tia mozika

Tena marina moa fa tsy angano

Lalao iray izay tiako indrindra

Lalao tsy mampody an-trano

Io no mba haiko, fiainako

Ka tsy foiko



Matoa tsy niverina izy

Angamba efa tofoka

Na hafatra aza tsy napetrany manorisory

Matoa tsy niantso izy

Angamba efa vizana

Ny ditra koa tao lalaon’ankizy mahatorovana

Matoa tsy mitady ahy intsony izy

Angamba efa fantany

Tsy hotiany tsy ho tantiny



Lalao iray izay tiako indrindra         |

Lalao tsy mampody an-trano            |  x 4

Izy moa tsy tia mozika                      |  

Tena marina moa fa tsy angano        |



Lalao iray izay tiako indrindra

Lalao tsy mampody an-trano

Izy moa tsy tia mozika

Tena marina moa fa tsy angano

Lalao iray izay tiako indrindra

Lalao tsy mampody an-trano

Io no mba haiko, fiainako...





Haingo sy Lalatiana


Partager misy antony

Commenter misy antony

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalatiana

Suite