4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay fitiavany - Lalatiana

Raha ilay fitiavany, mbola reno-tory iny

Nataony tsy hifoha intsony :

Nahoana no notairinao ?



Fitia efa zatra, niantefa taminao,

Ninoany tsy ho faty indray :

Nahoana no nilaozanao ?



Nahoana ianao no sompatra ?

Moa heverinao fa mety

Ny misintona sy maka

Vatomamy izay mitoetra eny an-tanan-jazakely ?



Nahoana ianao no miangatra ?

Ka minia tsy mijery ireto masony roa

Manganohano, sasa-miandry

Ny fitiavanao handalo ?



Dia ilay fitiavany…


Partager ilay fitiavany

Commenter ilay fitiavany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalatiana

Suite