4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ifonako - Lalatiana

Ifonako ny lasa

Ny fo voarasarasa

Ny saina be fikasa

Ny tadidy ratsy sasa



Ifonako ny ho avy

Ny fo miangavingavy

Ny tomany be fiavy

Ny tanako miraviravy



Fa he mitampifimpify

Ny tsiaro anao tsy mety dify

Miandry anao ho fanafody

Ianao anefa tsy mimpody



Ifonako ny ratra

Ny teny mahazatra

Ny fitia tsy omby tratra

Ny adiady izay tsy vatra



Ifonako ny hira

Tonga koa namiravira

Ilay fitia he vita kira

Mangidy mamy tsy ampy sira



Fa raha tsy ho avy intsony ianao

Miangavy anao aho mba lazao

Izay mba tokony hataoko

Ka tsy hanantenako anao

Partager ifonako

Commenter ifonako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalatiana

Suite