4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampandroso ahy - Joseph d'Af

Raha izaho ilay mpamakitrano
Raha ny lazako dia toy ny angano
Fa nande tena antsena
Toy ny mpivarotena
Moa tia ahy va Ianao

Dia toy ilay vehivavy janga
Ilay satana koa mijoro ihapanga
Hitorabato ahy ireo
'Reo mpanoradalana
Hitoraka ahy va Ianao

Ankehitriny anefa , fantatro
F'Ianao no efa tia ahy taloha

Jesosy oh! Ianao koa tsy nanameloka ahy
Na firy aza ny ota efa vitako
Navelanao ny eloko
Jesosy oh! Ianao lay niady ny adiko
Ampototry ny hazo nijalianao
No ametrahako ny fiainako

Ianao no mpanavotra ahy
Ianao ilay nisolo vava ahy
Fa nandray ny famonjena aho
Vita fanekena
Zay no azo ekena

Ankehitriny anefa , fantatro
F'Ianao no efa tia ahy taloha

Jesosy oh! Ianao koa tsy nanameloka ahy
Na firy aza ny ota efa vitako
Navelanao ny eloko
Jesosy oh! Ianao lay niady ny adiko
Ampototry ny hazo nijalianao
No ametrahako ny fiainako

Jesosy oh! Amin'ny fifaliana no anantenana
Rehefa eo amin'ny andron'ny fitsarana
Ampandroso ahy ao an-tanàna

Ampandroso ahy ao an-tanàna

Partager ampandroso ahy

Commenter ampandroso ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Joseph d'Af